Skip to content

Commit

Permalink
Merge pull request Adventech#2273 from Slav7/stage
Browse files Browse the repository at this point in the history
add mg\2023-03
  • Loading branch information
VitalikL authored Aug 11, 2023
2 parents 5fc386f + 2c4f16f commit 4f1fb6c
Show file tree
Hide file tree
Showing 49 changed files with 679 additions and 146 deletions.
20 changes: 17 additions & 3 deletions src/mg/2023-03/08/01.md
Original file line number Diff line number Diff line change
@@ -1,7 +1,21 @@
---
title: Lesona
title: "FIAINANA ARAKA AN'I KRISTY, FITENY FENO FAHAMASINANA"
date: 12/08/2023
---

### <center>Eo am-panatanterahana ity lesona ity izahay.</center>
<center>Andramo indray azafady.</center>
### FIAINANA ARAKA AN'I KRISTY, FITENY FENO FAHAMASINANA

### Hodinihina mandritra ny herinandro:
Efes. 4:17-32; Kol. 3:1-17; Zak. 3:3-5; Zak. 8:16; Isa. 63:10; Rom. 8:16,26,27

> <p> Tsianjery:</p>
> «Mba hialanareo ny toetrareo taloha araka my fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; fa mba hohavaozina kosa hianareo amin'ny fanahin'ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an 'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.»> - Efes. 4:22-24.

Teo amin'ny araben'i Palma, any Espaina, no nisy an'i an'i Jose Antonio; tsy nanan-kialofana nandritra ny taona maro izy. 57 taona izy kanefa antitra kokoa ny fijery azy noho ireto volony sy volom-bavany mivolon-davenona. Indray andro, nanatona azy i Gracia, tompona trano fanaovana taovolo iray, ka nanolo-kevitra ny hanova tanteraka ny endriny raha tiany.

Olona vitsivitsy no nifandrimbona nanapaka, nandoko, sy nihogo ireto volo sy volombavan'i Jose nifandrirotra, raha nipetraka teo amin'ilay seza fihetezana izy. Avy eo dia nomena akanjo vaovao sy mihaja i Jose. Nony hitany teo amin'ny fitaratra ny endriny dia nipotrapotraka ny ranomasony. "Izaho tokoa ve io? Hafa tanteraka ny endriko; tsy hisy olona hahafantatra ahy intsony!" Taty aoriana dia hoy izy: "Tsy nanova ny endriko fotsiny izany fa nanova ny fiainako koa."

Ambaran'i Paoly ao amin'ny Efes. 4:17-32 fa nisy fiovana tanteraka teo amin'ny fiainan'ireo mpino. Niala tamin'ny toetrany taloha izy ireo ary tonga olom-baovao. Kanefa tsy toy ny fiovana nisy teo amin'i Jose izany, izay fiovana ivelany fotsiny. Fanavaozana amin'ny fanahin'ny sain'izy ireo izany (Efes. 4:23), dia "ny fahitsiana sy ny onor fahamasinana momba ny fahamarinana" eo amin'ny fiainana (Efes. 4:24). Izany no tena fiainam-baovao tanteraka.

_*Famerenana ny lesona ny sabata 19 Aogositra._
14 changes: 11 additions & 3 deletions src/mg/2023-03/08/02.md
Original file line number Diff line number Diff line change
@@ -1,7 +1,15 @@
---
title: Lesona
title: "FITOTONGANANA ATERAKY NY FAHOTANA"
date: 13/08/2023
---

### <center>Eo am-panatanterahana ity lesona ity izahay.</center>
<center>Andramo indray azafady.</center>
`Ampitahao amin'ny Kol. 3:1- 17 ny Efes. 4:17-32. Ahoana ny fomba ampaherezan'i Paoly ny mpino mba hiaina amin'ny fomba mampandroso ny firaisana?`

Voizin'i Paoly ao amin'ilay fizarana voalohany, ao amin'ny Efes. 4:1-16, ny lohahevitra momba ny firaisan'ny fiangonana. Raha ampitahaina ny Efes. 4:1 sy ny Efes. 4:17 dia hitantsika ny fitovian'ny antso atao ao mikasika ny fomba tokony "handehanana" na hitondrana ny fiainana. Maneho izany fa lohahevitra iray ihany no resahin'i Paoly, dia ny firaisana sy ny fiainana mifanaraka amin'izany, saingy ny voalohany momba ny tokony hatao, ary ny faharoa kosa momba ny tsy tokony hatao.

Ampitahain'i Paoly ao amin'ny Efes. 4:17-24 ny fomba fiainan'ny Jentilisa, izay manao tsinontsinona ny firaisana (Efes. 4:17-19), sy ny fomba fiaina kristianina marina, izay mampandroso izany kosa (Efes. 4:20-24). Eo am-pamakiantsika ny fitsikerana henjana ataon'i Paoly momba ny Jentilisa dia tsy tokony hohadinointsika ny faharesen-dahatr'i Paoly fa efa navotan' Andriamanitra tamin'ny alalan'i Kristy ny Jentilisa ary nantsoina ho isan'ny vahoakan' Andriamanitra koa (Efes. 2:11-22; Efes. 3:1-13). Noho izany, fanoritsoritana ny «Jentilisa araka ny nofo>> - Efes. 2:11, izay tery saina sy ratsy fanahy, no ataon'i Paoly ao amin'ny Efes. 4:17-19.

Tsy ireo fahotana sy fitondran-tena manokana naschon'ny Jentilisa ihany no mampanahy an'i Paoly fa ny fototry ny fiainany mihitsy, izay mitotongana eo ambanin'ny fifchezan'ny fahotana. Mifantoka amin'ny tsy firaihana ara-panahy ny Efes. 4:17,19, «amin'ny fahafoanan'ny sainy; fa efa tonga maizina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny». Io tsy firaihana ara-panahy io no mahatonga ny fahatakarana ho maizina, araka ny asongadina eo am-piandohan'ilay andalan- teny («noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin'ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony» - Efes. 4:18-19), sy mahatonga ny fahalotoam-pitondran-tena tsindriany eo am-pamaranana («ka nanolo- tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana»> - Efes, 4:19). Lavitra an'Andriamanitra izy ireo ka tsy mahalala ny tokony ho fomba fiaina, ary tafasaraka amin'ny fahasoavany ka mihamitotongana hatrany ao anatin'ny fahotana sy ny fahalotoam-pitondran-tena.

`Manao ahoana ny fanandramanao manokana ny herin'ny ota, izay manohy misarika ny olona hitotongana hatrany ho amin'ny fahotana misimisy kokoa?`

12 changes: 9 additions & 3 deletions src/mg/2023-03/08/03.md
Original file line number Diff line number Diff line change
@@ -1,7 +1,13 @@
---
title: Lesona
title: FITAFIANA VAOVAO TANTERAKA
date: 14/08/2023
---

### <center>Eo am-panatanterahana ity lesona ity izahay.</center>
<center>Andramo indray azafady.</center>
`Inona ilay hevitra manan-danja fian'i Paoly ampitaina amin'ny mpihaino azy eo am-pamerenany ny tantaran'ny flovam-pon'izy Ireo?`

Eo am-panoritsoritan'i Paoly ny fiainan'izy ireo fahiny, izay fiainana jentilisa (Efes. 4:17-19), dia tsy nilaza i Paoly hoe: tsy mba toy izany no nianaranareo momba an'i Kristy», fa hoy izy: «tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy» - Efes. 4:20. Marihin'i Paoly fa «nandre» (an'i Kristy) tokoa ireto olona anoratany ireto, ary «tao Aminy» no nampianarana azy ireo, dia miantso azy ireo izy hanana fiainana mifanaraka amin'ny sitrapon'i Kristy, «araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy», hoy izy - Efes. 4:21. Ho ani Paoly, ny fahatongavana ao amin'ny finoana dia mifototra amin'ny fifandraisana manokana amin'i Kristy, fifandraisana velona sy marina, hany ka «fianarana an'i Kristy»> no azo amaritana azy. Mino isika fa eo anivontsika i Jesôsy natsangana tamin'ny maty, nasandratra sy velona. Voavolavolan'ny fampianarany sy ny oha- piainany isika ary maneho fahatokiana Aminy amin'ny maha-Tompo velona Azy. Ekentsika ny fitondrany ny fiainantsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina sy ny Tenin' Andriamanitra.
Ambaran'i Paoly fa misy dingana telo tsy maintsy arahina raha tíantsika ny hanana fiainana mifanaraka amin'ny sitrapon'i Kristy, ka amin'ny alalan'ny sary an'ohatra momba ny fitafiana no ilazany izany (1) «miala amin'ny» fomba fiaina taloha (Efes. 4:22); (2) manandrana fanavaozana anaty (Efes. 4:23); ary (3) «mitafy toetra vaovao», fiainam-baovao mifanaraka amin'ny sitrapon' Andriamanitra. Maneho taratra ny fomba fampiasana ny fitafiana ao amin'ny TT ny fomba filazan'i Paoly, izay sady natao hanehoana ny maha-mpanota (ohatra, Sal. 73:6; Zak. 3:3,4; Mal. 2:16) no tandindon'ny famonjena koa (ohatra, Isa. 61:10; Ezek. 16:8; Zak. 3:4,5).

Tamin'ny andro fahiny ny olona dia nanao atin'akanjo lava hatreo amin'ny lohalika sy akanjo na kapaoty ivelany ho fiarovana amin'ny masoandro. Toy izany koa ny vehivavy, nanao atin'akanjo sy akanjo lava. Ny kolontsaina hita ao amin'ny Baiboly dia izay miaro ny aina. Tsy fahita matetika sy lafo vidy ny fitafiana tamin'izany ary notehirizina ela. Tsy nahazatra ny fananana maro karazana amin'izy ireny. Nanambara ny maha-izy azy sy ny toerana tanan'ilay olona mitafy azy ny akanjo. Ny fisoloana akanjo na ny fanakalozana izany amin'ny akanjo hafa dia sady tsy nahazatra no nanambara toe-java-mitranga lehibe (tsy toy ny tranga maivan-danja fahita eo amin'ny kolontsaina maro ankehitriny). Ho an'i Paoly, ny fiovam-piainana dia tokony hiharihary sahala amin'ny fanoloana akanjo tao anatin'ny tontolon-kevitry ny taonjato voalohany

`Inona ny fahasamihafana manan-danja eo amin'ny hoe mianatra momba an'l Kristy sy ny hoe mianatra mba hahalala an'l Kristy?`
17 changes: 14 additions & 3 deletions src/mg/2023-03/08/04.md
Original file line number Diff line number Diff line change
@@ -1,7 +1,18 @@
---
title: Lesona
title: "FITENY MAMPANDROSO NY FIRAISANA SY MITONDRA FAHASOAVANA"
date: 15/08/2023
---

### <center>Eo am-panatanterahana ity lesona ity izahay.</center>
<center>Andramo indray azafady.</center>
### FITENY MAMPANDROSO NY FIRAISANA SY MITONDRA FAHASOAVANA

`Inona amin'ireo torohevitr'i Paoly momba ny fomba fiteny eo anivon'ny mpino no manan-danja indrindra ho anao ankehitriny? Nahoana? (Efes. 4:25-29).`


Misy firafitra mahaliana ampiasain'i Paoly matetika ao amin'ny Efes. 4:25-32, izay hita, ohatra, ao amin'ny Efes. 4:25: baiko mandrara aloha ("Esory ny lainga"); dia baiko mandrisika («samia milaza ny marina amin'ny namany avy hianareo rehetra»); avy eo ny antony («fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika»), izay toy ny manambara hoe: «satria isika rantsam-batan'ny tena iray ihany, ka mifandray toy ny ampahany samihafa amin'ny vatana iray ihany». Ny antso ataon'i Paoly mba «hilaza ny marina» dia tsy fanasana ny mambra ao amin'ny fiangonana mba hilaza mivantana ny zava- misy amin'ny fomba tsy misy antra sy tsy voalanjalanja tsy akory. Izay ambara ao amin'ny Zak. 8:16 no tiany ampitaina, dia ny mba hilazana ny marina amin'ny fomba hahatonga fiadanana.

Koa satria raran'i Paoly ao amin'ny Efes. 4:31 ny fahatezerana sy ny fitabatabana, dia tsy midika ho fanomezan-dalana hampiasa fahatezerana ao am-piangonana tsy akory no lazainy ao amin'ny Efes. 4:26. Kanefa eken'i Paoly kosa ny mety hisian'ny fahatezerana, saingy asiany fetra ny fanehoana izany araka ny hoe "tezera fa aza manota".


Toy ny hoe tapahin'i Paoly ny resany mikasika ny fomba fiteny teo ka fandrarana momba ny fangalarana indray no ataony hoe: «aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony» - Efes. 4:28. Manaraka izany dia mampirisika izy hoe «aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tanany» (Efes. 4:28; jereo koa ny 1 Kôr. 4:12, 1 Tes. 4:11); ary avy eo ambarany ny antony fototr'izany, dia ny «mba hisy homeny izay tsy manana» - Efes. 4:27. Azo inoana fa nampidirin'i Paoly ity teny momba ny mpangalatra ity noho ny fifandraisan'ny fangalarana amin'ny teny mamitaka araka ny ohatra asehon'ny tantaran'i Ananiasy sy Safira ao amin'ny Asa. 5:1-11. Matanjaka tokoa ny finoan'i Paoly ny herin'i Kristy mahova, hany ka azony an-tsaina ny mpangalatra tonga mpanao soa!

Mandidy ny olona i Paoly manao hoe: «Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto» - Efes. 4:29, izay manambara teny manimba toa tsy hay fehezina rehefa mivoaka ny vava mandra-pahatontosany ny asa fandravana ataony. Etsy ankilany, ny teny ratsy dia hitan'i Paoly fa tsy vitan'ny hoe azo atsahatra fotsiny fa azo soloana kosa amin'ny teny izay manana ireto toetra ireto: (1) «tsara ho fampandrosoana», (2) «araka izay tokony hanaovana azy», ary (3) «hahazoan'ny mihaino [azy] fahasoavana»> - Efes. 4:29. Raha mba toy izany avokoa mantsy ny fitenintsika!
17 changes: 14 additions & 3 deletions src/mg/2023-03/08/05.md
Original file line number Diff line number Diff line change
@@ -1,7 +1,18 @@
---
title: Lesona
title: "NY FANAHY MASINA EO AMIN'NY FIAINAN'NY MPINO"
date: 16/08/2023
---

### <center>Eo am-panatanterahana ity lesona ity izahay.</center>
<center>Andramo indray azafady.</center>
### NY FANAHY MASINA EO AMIN'NY FIAINAN'NY MPINO

`Eo am-piresahany momba ny fahotan'ny fomba fiteny eo anivon'ny fiarahamonina kristianina, inona ny antso ataon'i Paoly mikasika ny fanatrehan'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainan'ny mpino? Efes. 4:30.`

Sady manao fampitandremana mampatahotra i Paoly no manome toky mampahery. Ny ratsy ifanaovantsika ao am-piangonana dia tsy fahadisoana kely tsy misy fiantraikany tsy akory: ny tsy fampiasantsika araka ny tokony ho izy ny fanomezam-pahasoavan'ny fitenenana nomen Andriamanitra antsika ho fanimbana ny hafa no mampalahelo ny Fanahy Masina (Efes. 4:25-27,29,31,32). Ny famerenan'i Paoly izay voalaza ao amin'ny Isa. 63:10 eto dia manamafy ilay fampitandremana lehibe hoe: «Fa ireo [Israely] kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy».

Manome toky mampahery i Paoly fa manisy tombokase ny mpino ny Fanahy Masina manomboka amin'ny andro izay anekeny an'i Kristy (Efes. 1:13,14) ka hatramin'ny andro fanavotana» (Efes. 4:30). Tsy mora tapaka fa mafy orina ny fifandraisana co amin'ny Fanahy Masina sy ny mpino. Rehefa ataon'ny mpino tsinontsinona ny fanatrehan'ny Fanahy Masina amin'ny fampiasany ny fitenenany, izay fanomezam-pahasoavana avy amin' Andriamanitra, toy ny fitaovam-piadiana hamonoana ny hafa, dia tsy nolazainy hoe miala ny Fanahy Masina fa hoe malahelo kosa Izy. Maniry ny hitoetra eo amin'ny mpino ny Fanahy, te hanisy marika eo aminy mba ho fananany sy ho voaron' Andriamanitra, mandra- piverin'i Kristy.

Tsindrian'i Paoly ny maha-Andriamanitra ny Fanahy amin'ny maha-"Fanahy Masin Andriamanitra" Azy, ary asongadiny ny maha-Persona Azy amin'ny filazany ny Fanahy Masina hoe malahelo. (Jereo koa ny Rôm. 8:16,26,27; 1 Kôr. 2:10,13; 1 Kor. 12:11; Gal. 5:17,18.)
Mila mitandrina fatratra isika rehefa miresaka ny amin'ny zava-miafina momba an' Andriamanitra Telo Izay Iray. Ny Fanahy dia sady iray amin'ny Ray sy ny Zanaka no miavaka amin'ny Ray sy ny Zanaka. «Ny Fanahy dia manana ny sitrapony ary misafidy mifanaraka amin'izany. Mety malahelo Izy ary mety hitenenan-dratsy. Izany famaritana izany dia tsy mifanaraka amin'ny hoe hery tsotra na hery miasa mangina fotsiny ny Fanahy Masina fa tena manana toetran'olona mihitsy (Persona). Koa moa ve olona tahaka ahy sy anao ny Fanahy Masina? Tsia, fitenin'olombelona voafetra ihany no ampiasaintsika hanehoana ny maha-Andriamanitra, ary ny Fanahy dia tsy ho olombelona na oviana na oviana.>> Paul Petersen, God in 3 Persons In the New Testament (Silver Spring, MD: Biblical Research Institute, 2015), p. 20.


`Manakaiky antsika amin'ny fomba ety dia ety ny «Fanahy Masin' Andriamanitra» hany ka voambara ho misy fiantraikany Aminy ny asa sy ny fihetsika ataontsika. Miara-miaina amin'ny Iray amin'Andriamanitra Telo Izay Iray isika, Izay nanolo-tena hifandray maharitra amintsika sy manisy tombokase antsika mandra-pahatonga ny farany. Tokony hanao ahoana ny finoantsika eo anatrehan'Izany fahamarinana mahagaga izany?`
15 changes: 12 additions & 3 deletions src/mg/2023-03/08/06.md
Original file line number Diff line number Diff line change
@@ -1,7 +1,16 @@
---
title: Lesona
title: "HALEMEM-PANAHY (FA TSY FO LENTIKA)"
date: 17/08/2023
---

### <center>Eo am-panatanterahana ity lesona ity izahay.</center>
<center>Andramo indray azafady.</center>
Amin'ny filazany hoe "andro fanavotana" dia manasa ny olona i Paoly hihevitra ny teny aloaky ny vavany ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fiverenan'i Kristy fanindroany. Koa azo lazaina fa mikasika ny fampiasana ny fitenenana eo am-panakekezantsika io tranga lehibe io ny voalaza ao amin'ny Efes. 4:31,32.

Raha hiverina ary i Kristy, inona Ireo toetra sy fitondran-tena mifandraika amin'ny fitenenana izay tokony hialana? Inona kosa Ireo toetra sy fitondran-tena tokony hananana? Efes. 4:31,32.
Maneho baiko fandrarana indray i Paoly ao amin'ny antso farany ataony ao amin'ny Efes. 4:17-32; toetra ratsy enina no asainy esorina amin'izy ireo (Efes. 4:31); manaraka izany dia baiko mandrisika mba "samy halemy fanahy (...), ka hifampiantra sy hifamela heloka" - Efes. 4:32; ary avy eo omeny ny antony. Natao hifamela heloka ny mpino "tahaka ny namelan 'Andriamanitra" ny helony (Efes. 4:32). Eo am-panombohana sy famaranana ny fitanisana ireo toetra ratsy enina i Paoly dia mampiasa ilay mpamaritra mahafaoka be hoe "rehetra": "fo-lentika rehetra", "lolompo rehetra". Ary co anelanelan'ireo no misy ireto teny efatra ireto: "fahavinirana", "fahatezerana", "fitabatabana", ary "fitenenan-dratsy".

Io farany io dia nadika avy amin'ilay teny grika hoe blasphemia, izay tsy manambara fotsiny ny fomba fiteny maniratsira an' Andriamanitra, fa izay maniratsira ny olombelona hafa koa, toy ny fanendrikendrehana na ny teny ratsy. Toa mivadika ho tenim-pahatezerana (fitabatabana sy fitenenan-dratsy) ireo toetra ratsy (fo lentika, fahavinirana, fahatezerana) ao anatin'ilay fitanisana. Raha ny marina dia tian'i Paoly ny hitsaharantsika tsy hanao ny fitenenana ho fitaovam-piadiana. Tsy maintsy esorina tsy ho isan'ny fitaovana ampiasain'ny Kristianina ireo toetra mahatonga fahatezerana sy ireo fomba fiteny manetsika izany. Tsy hiroborobo ny fianakaviamben'ny mpino ary tsy handroso ho amin'ny firaisana ny fiangonana raha tsy ialana ireo zavatra ireo.

Tsy azo foanana anefa ny teny tsy mendrika fa azo soloana kosa. Ny firesatsika eo anivon'ny ankohonan'i Kristy sy any ivelany dia tsy tokony hasesiky ny hatezerana fa ny fahalemem-panahy sy ny fifampiantrana ary ny fifamelan-keloka, izay mifototra amin'ny fenitra ambony lavitra, dia ny famelan' Andriamanitra ny helotsika ao amin'i Kristy (Efes. 4:32). Asehon'i Paoly eto ny famelan-keloka mijidina (avy amin'Andriamanitra ho antsika), ary koa ny famelan-keloka marindrano (eo amintsika samy isika, ampitahao amin'ny Kôl. 3:13; Mat. 6:12,14,15).


`Saino ny amin'ny herin'ny teninao. Ahoana no mety hamplasanao izany mba hanana toetra manandratra, mampahery, ary mampiorina ny finoana?`
22 changes: 19 additions & 3 deletions src/mg/2023-03/08/07.md
Original file line number Diff line number Diff line change
@@ -1,7 +1,23 @@
---
title: Lesona
title: Fianarana fanampiny
date: 18/08/2023
---

### <center>Eo am-panatanterahana ity lesona ity izahay.</center>
<center>Andramo indray azafady.</center>
"Aoka ny fiteninao ho tsara tsy hisy hanenenanao any aoriana. Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana. (...) Raha misy fitiavana ao am-ponao dia hiezaka ianao hampandroso sy hampiorina tsara ny rahalahinao ho amin'ny finoana masina. Raha misy olona manaratsy na manao teny tsy mendrika momba ny namanao na ny rahalahinao dia aza mampirisika izany resa-poana izany. Asan'ny fahavalo izany. Ampahatsiahivo amim-pitiavana io olona manaratsy io fa raran'ny Baiboly ny resaka toy izany." - Ellen G. White, ARSH, 5 Jona 1888.

Inona ny fiovana mety hitranga ao amin'ny fiangonanao raha samy miaina sy manolo-tena araka ireto fanambarana manaraka ireto ianao sy ny mambra tsirairay?

1. Iriko ny hanana hery miasa mangina tsara, manandratra, mampiorina ny finoana, ary mampahery eo anivon'ny fianakaviamben'ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito sy any ivelany (Efes. 4:29).

2. Tsaroako ny antson'i Kristy ho amin'ny firaisana sy ny fitiavana; koa hanao ezaka bebe kokoa aho hanohana ireo izay inoako fa manao sy miteny zavatra tsara fa tsy hanasongadina ny fahalemen'ireo izay heveriko ho diso (Jao. 13:34,35; Jao. 17:20-23; Efes. 4:1-6; 1 Tes. 5:9-11).

3. Rehefa tsy miombon-kevitra amin'ny olona iray aho dia hasehoko mazava ny fanajako "ny mpiray fanantenana amiko. Raisiko ho toy ny olona mahatoky sy manolo-tena ho an'i Kristy izy. Ampahafantariko azy amim-pitiavana ny hevitro izay tsy mitovy amin'ny azy, fa tsy hanao an-tery setra aho (Efes. 4:31,32).

4. Hiaina amim-pifaliana aho sady hanararaotra ny fomba rehetra hampandroso sy hampiorina tsara ireo mambra hafa ao am-piangonana, eo am- piandrasana ny fiverenan'i Kristy (Efes. 4:29,30; Gal. 6:2; Heb. 10:24,25).


### Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

`1. Diniho indray ny fanoritsoritan'i Paoly ireo Persona ao amin' Andriamanitra Telo Izay Iray, izay asehony in-11 ho miara-miasa akaiky ho famonjena ny olombelona. Ahoana no anampian'izany famerimberenana izany antsika hahatakatra tsara kokoa ny momba an' Andriamanitra Telo Izay Iray? Efes. 1:3-14; Efes. 1:15-23; Efes. 2:11-18; Efes. 2:19-22; Efes. 3:1-13; Efes. 3:14-19; Efes. 4:4-6; Efes. 4:17-24; Efes. 4:25-32; Efes. 5:15-20; Efes. 6:10-20 (ka ny teny hoe "Tompo," ao amin'ny Efes. 6:10, dia manambara an'i Kristy).`

`2. Ahoana no ampiharana ny torohevitr'i Paoly mikasika ny fomba fiteny amin'izao andron'ny "tambajotran-tserasera" izao, izay amplasaina matetika hanaovana fampitahorana sy fanaratsiana, ary afaka tsy mitonona anarana izay manao izany?`
Loading

0 comments on commit 4f1fb6c

Please sign in to comment.